Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Ny teny toy ny salaka

« Fa folaka avokoa ny karazan’ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin’ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny; fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty ». Tsy hanao toriteny akory fa nindramina io teny ao amin’ny Soratra Masina io entina hilazana fa sarotra ny mifehy ny lela. Sady entin’ny olona hisaorana an’Andriamanitra ny lela no entiny koa hanozonana olona.

Tsy mifanalavitra amin’izany ny zava-misy iainana ankehitriny na eo amin’ny lafiny fiaraha-monina tsotra na eo amion’ny lafiny politika. Malaza fa firenena mpivavaka i Madagasikara. Marina izany. Porofon’izany ireo trano fiangonana hita saika isan-tanàna. Tsy hipetraka ho mpitsara ny hafa koa akory raha miteny izany, nefa toa tsy mety koa raha hangina fotsiny amin’izao. Maro ireo fahendren’ny Ntaolo nentiny nanehoana izany. Tsy mety, hoy izy, raha manao lelan’ omby : sady hitsabaka ny am-bava no hitsabaka ny an’ orona. Raha mikorontana ny fiaraha-monina, raha misamboaravoara ny fiainam-pirenena dia manana anjara betsaka amin’izany izay naloakan’ny vavan’ny tsirairay. Ny fandrosoan’ny teknolojia anefa etsy an-daniny vao mainka manampy trotraka ka tsy vitan’ny hoe resaka am-bava sy sofina fotsiny fa ny fotoana itenenana na anoratana no ela dia efa tapitra mahalala izao tontolo izao.

“Ny teny anefa toy ny atody ka raha foy manana elatra”. Voin-tenan’izay niandohan’ny olana anefa satria ny teny “donga takona fa mahia mifanatrika”. Izany hoe, afaka miteny izay tianao ho lazaina ianao rehefa tsy mifankahita fa rehefa  mifanatrika dia “eo mahita izy”, hoy ny fitenin’ny mahay azy. Tompon’andraikitra amin’izay lazainy sy teneniny ny tsirairay. Tsy adala ny Ntaolo raha nilaza hoe avadibadiho im-pito ny lela vao miteny satria ny miteny mora fa ny mamerina azy no sarotra. Tadidio ary fa “ Ny teny toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony”.

 

Mparany

Les commentaires sont fermées.