Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andilamena : antitra ny fotodrafitrasan’ny vary

Andilamena : antitra ny fotodrafitrasan’ny vary

Efa tamin’ny 1956! Isan’ny tena mamoka-bary koa ny disitrikan’Andilamena, faritra Alaotra Mangoro. Ny vahiny, mpanjanatany dia nanangana tohodrano ho an’ ny tanimbary 900 ha any Maromandia,  2.560ha any Vodivato, 1 100ha any Bemaitso, 700ha any Ambavahadizozoro. Ankoatra ny hohanina eo an-toerana, amidy amin’ny mpanangom-bokatra avy any Antananarivo sy Toamasina ny vokatra. Entina trakitera, hany afaka ny lalana ny vary avy any amin’ny kaominina Maroadabo, Miarinarivo, Maitsokely…. Nilaza ny ray aman-dreny iray fa “ mbola  misy akotry aty hatramin’izao fotoana izao. Totoina ho vary fotsy ary avoaka amidy any  amin’ny disitrika”. Ilazana ireo fa mandray anjara mavitrika amin’ny famatsiam-bary eto amin’ny firenena ny distrikan’Andilamena.

Nambaran-dRtoa Razafindrasoa Martine, lehiben’ny Fari-piadidian’ny Fambolena (Draep) Alaotra fa “efa potika, tsy miasa intsony ny fotodrafitrasa maro satria antitra.

Dinihina izao volana febroary izao teto Ambatondrazaka ny vinavina tetibola 2022. Antenaina  ho ao aika Andilamena ! “Andilamena: sady  mahavelon-tena no mahavelona olono”.

Rarivo       

Les commentaires sont fermées.