Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Varotra ivelany: mihen-danja hatrany ny voamaina

Mihena hatramin’ny fiandohan’ny taona 2000 ireo vokatra voamaina avy eto Madagasikara fanondrana any ivelany. Tany amin’ny taona 60-80, ohatra, tsara toerana teo amin’ny tsena eoropeanina ny voamaina avy aty Madagasikara, indrindra ny tsaramaso (fotsy sy mena) sy ny kabaro. Nihena toy izany koa ny vokatra naondrana amin’ireo Nosy manodidina. Ny vokatra avy any amin’ny mpamboly, latsaky ny 200 t, ary tsy voatandro intsony ny fenitra takina.

Tsy mahazaka intsony ny fifaninanana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny vokatra malagasy. Tamin’ny 2016, ny Tahiry hanenjehana ny fenitra eo amin’ny varotra (FANDC)*, ny CTHA (1) sy ny DPV (2), izay samy eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, nanao izay hampiverina ny lazan’ny voamaina avy eto amintsika.

Hatramin’izao, mbola tsy tafaverina ny vokatra nisy taloha, na any amin’ny faritra avaratra na atsimo, mpamboly azy. Voalazan’ny teknisianina CTHA fa vao mainka sarotra ny hanatrarana izany noho ny fiovan’ny toetr’andro.

 

R.Mathieu

 

FANDC* : Fonds pour l’Application des Normes et le Développement du Commerce

CTHA (1) : Centre Technique Horticole d’Antananarivo

DPV (2) : Direction de la Protection des Végétaux

 

Les commentaires sont fermées.