Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Tratra ny jiolahy iray nanendaka polisy nanao fanamiana sivily teny 67 ha, afakomaly hariva. Nijanona tao anatin’ny fiarany teo akaikin’ny Paositra malagasy ity polisy no nisy jiolahy roa saika haka ny telefaonina finday nipetraka teo amin’ny sezan’ny mpandeha. Voatazon’ity polisy ity ny iray amin’ireo jiolahy raha tafaporitsaka kosa ny iray. Tratra teny aminy ilay telefaonina finday.

Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Antsirabe ny toaka gasy sy vato malakita tao anatina fiarabe iray. Nandritra ny fisavana natao tamin’ny fiara “fourgon” iray avy any Manandriana hihazo an’Antananarivo no nahasaronana ireto entana ireto. Nafenina tao anatina gonin-tsaribao miisa 20 tsy misy taratasy ny vato malakita iray taonina eo ho eo izay tsy misy taratasy miaraka tamin’ny toaka gasy 280 litatra.

Les commentaires sont fermées.