Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Chan 2021»: tafakatra amin’ny ampahefa-dalana i Maraoka sy i Roandà

Kitra – «Chan 2021»: tafakatra amin’ny ampahefa-dalana i Maraoka sy i Roandà

Anisan’ireo ekipa nahazo ny tapakila hiakarana amin’ny dingana ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2021”, ihany koa ny Lionan’i Atlas. Fihaonana, tanterahina any Kameronina. Mbola noporofoin’izy ireo indray ny maha tompondaka azy ireo, tamin’ny nandreseny ny The Cranes Ogandà, tamin’ny isa mazava 5 no ho 2, ny talata lasa teo, nandritra ny andro farany amin’ny fifanintsanana ho an’ny vondrona C. Nosahiranin’ny Ogandey anefa ry zalahy satria ny The Cranes no nanokatra ny isa voalohany teo amin’ny minitra faha-25. Totoafo kosa avy eo ny fanafihana nataon-dry zalahy ka nisesy ny baolina tafiditra. Efa nitarika, 4 no ho 1, ry zalahy vao nahatafiditra ny baolina fanindroany ny Ogandey, saingy mbola niampy baolina fahadimy izany avy eo.

Manohy ny diany ihany koa ny Les Amavubi-n’i Roandà, rehefa nandresy an’i Togo, tamin’ny isa tery 3 no ho 2. Sahirana tanteraka anefa ry zalahy vao nahazo ny fandresena satria nitarika anisa hatrany ny Togoley. Efa tany amin’ny minitra faha-66 vao nahafaty ny baolina fahatelo ny Roandey. Tsiahivina fa ny taona 2016 no tonga tamin’izao dingana izao farany ny Les Amavubi, fony ny “Chan” nampiantranoan-dry zareo. Hotanterahina ny alahady 31 janoary izao ny ampahefa-dalana, hatrehin’izy ireo.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.