Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fizahantany: mitohy ny fifampiraharahana

Fizahantany: mitohy ny fifampiraharahana

Mikatso ny fizahantany! Araka ny efa fantatra, tsy mihodina ny sehatry ny fizahantany eto amintsika satria mikatona ny sidina habakabaka, toy ny any ivelany, noho ny valanaretina Covid-19 tsy mety ho fongana. Naato amin’ny asany avokoa ny 70%-n’ny mpiasa amin’izao fotoana izao.

Raha ny tamin’ny taona 2020, anisan’ny vahaolana nataon’ny fanjakana malagasy, hanampiana ny mpisehatra amin’ity fihariana ity ny fanemorana ny fotoana fandoavana ny hetra sy ny haba, ny faktioran’ny Jirama, ny vola indramina any amin’ny banky, sns, mba hanamaivana ny vola mivoaka satria tsy misy ny vola miditra.

Mitohy izany olana izany, amin’izao taona 2021 izao. Nilaza ny mpikambana ao anatin’ny Vondron’ny federasiona misehatra amin’ny fizahantany eto Madagasikara (CTM) fa mitohy ny fifampidinihana amin’ny sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny.

Tafiditra ao anatin’izany koa ny fifampiraharahana amin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS), mikasika ny latsakemboka fandoa mahazatra. Eo koa, ilay fampindramam-bola ho an’ny mpiasa natao tamin’iny taona 2020 iny, nefa tokony haloa manomboka amin’ity volana janoary ity. Tsiahivina fa manodidina ny 200.000 Ar hatramin’ny 500.000 Ar ny vola nampindramin’ny CNaPS, ho an’ireo mpiasa amin’ny fizahantany, nisedra olana, vokatry ny Covid-19.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.