
Taorian’ny nahazoan’ny Ascut, ekipan’ny kaominina Toamasina I, ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy N1A, notanterahina tao amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady 24 janoary lasa teo, nakotroka ny fitsenana ny ekipa, ny talata 26 janoary, tao an-drenivohi-dRasaraka. Feno hipoka ny lalana rehetra nanomboka eo
Barikadimy namakivaky ny araben’ny Fahaleovantena, tamin’ny fitsenana ireo maherifo. Nahatratra hatramin’ny 5 kilometatra ny “carnaval”, namakivaky ny lalana sy ny fokontany maro eto an-drenivohitr’i Betsimisaraka, nofaranana tamin’ny fandraisana ara-pomba ofisialy nataon’ireo manampahefana nahitana ny prefet, ny governora ary ny ben’ny Tanàna, sy ny depioten’i Madagasikara voafidy tao Antanifotsy, filohan’ny klioba sady mpamorona ny
Ascut. Notoloran’ny fitondram-panjakana, ao an-toerana, lelavola 1 tapitrisa Ar ny Ascut, ho fankaherezana ireo mpilalao. Vonona rahateo ny tomponandrakitra hanampy amin’ny fivoahana any ivelany, amin’ireo lalao miandry ny Ascut. Raha tsiahivina, ny taona 2003, no nitsanganan’ny Ascut, fony ben’ny Tanàna Ratsiraka Rolland. Tsy nanatrika ity lanonana ity ny solombavambahoakan’i Toamasina.
Sajo
Les commentaires sont fermées.