Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nanapoizina zazalahikely tamin’ny biscuit: vehivavy lehibe telo naiditra am-ponja

Nanapoizina zazalahikely tamin’ny biscuit: vehivavy lehibe telo naiditra am-ponja

Taorian’ny fanolorana azy ireo teny amin’ny fitsarana, omaly, samy naiditra am-ponja eny Antanimora ireto vehivavy lehibe telo, voarohirohy ho nanapoizina tamin’ny biscuit zazalahikely efa-taona.

Ny lehibe no manao ny ataony, ny ankizy no mitondra faisana! Lonilony sy fialonana amina fianakaviana iray mipetraka ao Ampefiloha Ambodirano ny antony nanapoizinan’ireto ramatoa telo (39, 52, 62 taona) ny zazalahikely vao efa-taona monja ka nitarika ny fahafatesany na teo aza ny famonjena natao ilay tsy manan-tsiny. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy avy ao amin’ny “poste de police” Ilanivato, ny volana oktobra lasa teo ilay zaza no nanomboka nararin’ny fahasemporana ka nentin’ny ray aman-dreniny nijery mpitsabo ary nandaniana vola aman-karena, saingy tsy nahitam-bahaolana izany. Nihombo hatrany anefa ny aretina ka namoy ny ainy ihany ilay zazalahy. Nanomboka teo, niahiahy amin’ny fomba fahafatesan’ity zanany ireo ray aman-dreniny ary nanatona ny polisy nilaza fa misy olona tsy mifankahazo amin’izy ireo ao an-tanàna ary mety ahina ho tompon’antoka amin’ny famosaviana ilay zaza niharam-boina. Niroso tamin’ny fanadihadiana sy ny fitsirihana teny anivon’ny fiarahamonina ny polisy ka fantatra nandritra izany fa ramatoa miisa telo eo an-tanàna ihany no nanome poizina ity zazakely ity.

Tsy io zaza io ihany fa olon-kafa koa, nitondra takaitra…

Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy, nitsotra ireto ramatoa voasambotra ireo fa nomen’izy ireo biskoy misy poizina ilay zaza tsy manan-tsiny noho ny disadisan’ireto olona ireto sy ny ray aman-drenin’ilay zaza. Tao anatin’ny famotoran’ny polisy hatrany no nahalalana fa tsy io zaza io ihany ny nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny toy izao fa misy ireo olon-kafa koa nitondra takaitra. Nambaran’izy ireo fa tao ireo nitondra takaitra, tao ireo lasa malemy ary nisy koa ireo namoy mihitsy ny ainy aza. Niaiky ny heloka vitany, araka izany, ireto mpamosavy ireto ka naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora rehefa avy natolotra ny fampanoavana. Na eo aza ny olana sy ny disadisa eo amin’ny samy olon-dehibe any anivon’ny fiarahamonina, tsy tokony hifatratra amin’ny zaza tsy manan-tsiny toy izao kosa ny valifaty na inona na inona tsy ifankahazoan-kevitra. Voasokajy ao anatin’ny herisetra ny fihetsika ny toy izao ka tokony homena ny sazy faran’izay henjana mihitsy ny olona manao herisetra amin’ny ankizikely toy izao.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.