Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mialoha ny “Lalao olympika”: hanao fifidianana ny seksiona sy ny ligy

Araka ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, tsy maintsy tanterahina amin’ity taona 2021 ity avokoa ny fifidianana ho fanavaozana ny mpitantana rehetra eo anivon’ireo rafitra mitantana ny taranja isanisany. Raha ny taom-piasana mantsy, efa tapitra ny taona 2020 ny asan’izy ireo, saingy noho ny fisian’ilay valanaretina Covid-19, niteraka fikorontanana teo amin’ny fandaharanasan’ny federasiona isanisany izany. Nambaran’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena, araka izany, fa hizara roa ny fanatontosana ny fifidianana, amin’ity, ka tsy maintsy vitaina alohan’ny “Lalao olympika” (JO 2021), hotanterahina any Japon, ny 23 jolay ka hatramin’ny 8 aogositra ho avy izao, ny an’ireo fikambanana sy ny klioba ary ny seksiona sy ny ligy. Aorian’ny fahavitan’ny lalao kosa ny an’ireo federasiona. Araka izany, samy mijery ny datin’andro mahamety azy izany ny rafitra tsirairay, ahazoana manatanteraka izany.

Tsiahivina fa taom-piasana olympika no arahin’ny ankamaroan’ireo federasiona, amin’ity fifidianana ity.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.