Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fadintseranana – JID*: hampiditra 2869,1 miliara Ar, taona 2021

Fadintseranana – JID*: hampiditra 2869,1 miliara Ar, taona 2021

Nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fadintseranana (JID), omaly 26 janoary, tany Toamasina ny foiben’ny fitantanan-draharahan’ny fadintseranana eto Madagasikara. Notsiahivina ny fanarenana ny toekarena amin’ny alalan’ny fadintseranana hitandro ny lalàna sy hanefa izay tokony hefaina amin’ny fanjakana. Samy manana adidy araka izay tandrify azy amin’izany ny mpiasam-panjakana sy ny any amin’ny tsy miankina. Natao ny fanentanana momba izany ny tapaky ny volana janoary teto an-dRenivohitra, ary izao nampitaina any Toamasina izao ho an’ny  rehetra.

Raha 2187,4 miliara Ariary ny nampidirin’ny fadintseranana tamin’ny 2020, kajiana amin’ity taona ity ny hampiditra 2 869,1 miliara Ariary. Ny ampahany be indrindra amin’izany avy amin’ny entana hafarana, ankoatra ny solika. Tsy maintsy ifantohana ny varotra noho izay fanafarana entana izay, ankoatra ny fadintseranana, manampy izany koa ny hetra amin’ny vola miditra ho an’ny fanjakana. Misy ny fepetra noraisin’ny fanjakana amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny ladoany. Havaozina, ohatra, ny haban-tseranana amin’ny vokatra sy ny fitaovana sasany.

 

R.Mathieu

 

JID* : Journée Internationale de la Douane

 

Les commentaires sont fermées.