Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety-2021: Any Matsiatra Ambony ny N1A dingana voalohany

Tsy niandry ela, andro vitsy taorian’ny fiafaran’ny fifaninanana nasionaly N1A 2020, efa fantatra sahady ny daty sy ny toerana hanatanterahana ny dingana voalohany amin’ity fifaninanana ity, ho an’ny taom-pilalaovana 2021. Raha ny hita ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny federasiona malagasy ny basikety, hatao any Matsiatra Ambony, ny 12 hatramin’ny 20 jona izao, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A lahy sy vavy. Efa-bolana monja, araka izany, ny hananan’ny ekipa mpandray anjara miomana ho fiatrehana indray ity fifaninanam-pirenena manana lanjany lehibe ho an’ny basikety malagasy ity. Amin’ny 2 hatramin’ny 10 oktobra kosa ny hanatanterahana ny dingana faharoa ny N1A, hatao eto Antananarivo ihany.

Ankoatra izay, hisandrahaka manerana ny Nosy ireo fifaninanana nasionaly. Ny volana novambra 2021 kosa ny hanaovana ny Fivoriambe arahina fifidianana ho an’ny FMBB, izay tsy mbola fantatra ny toerana hanaovana izany.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.