Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Tantsoroka –Covid 19 »: afaka nampitaovana ireo mpiasan’ny fahasalamana

« Tantsoroka –Covid 19 »: afaka nampitaovana ireo mpiasan’ny fahasalamana

Nitondra ny tatitra ho an’ny asa vita tao anatin’ny enim-bolana nanaovana tantsoroka niadina tamin’ny Coronavirus ny fiarahamonina sivily niarahan’ny Autisme Madagascar sy ny OSISA notohanan’ny Holafitry ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra, omaly, teny Ambohidahy. Nifototra tamin’ny sehatra telo ny sahanasa tamin’ny toerana maro manerana ny Nosy : fampitaovana ny mpiasan’ny fahasalamana sy fanamafisana ny fahaiza-manaony,  fanabeazana ny olom-pirenena momba ny valanaretina sy ny tsara ho fantatra amin’ny fiarovan-tena ka nanampy ny coalition des radio tamin’ny fandefasana ny hafatra. Farany ny fizarana tohanaina ho an’ny vondron’olona marefo ahitana ny zokiolona, ny olona manana fahasembanana ara-batana sy ara-tsaina ary ny mpitsabo, izay niasa mafy, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Autisme Madagascar, Raveloarimisa Mbolatiana.

Nisy lesona lehibe azo tsoahina koa nandritra ny fiatrehana ny valanaretina, niatrika fahasahiranana lehibe ny fianakaviana manana ankizy autiste. Miaina amin’ny fahazarana arahina isan’andro ireny zaza ireny ka rehefa novana ny zavatra fanaony mahazatra noho ny fihibohana, lasa niharatsy ny fahasalamany amin’ny ankapobeny. Ny toeram-pandraisana manome ny fitsaboana samihafa koa nikatona avokoa vokatry ny hamehana. Manao antso amin’ny fitondrana ny mpitantana ny fikambanana hijery ny karazana olona manaraka fitsaboana isan’andro sy handray fanapahan-kevitra mitsinjo ny rehetra, indrindra ny autiste.

Ho an’ny tantsoroka Covid-19, niasa tany Toamasina, Mahajanga, Fianarantsoa, Antsirabe ary Antananarivo ny mpisehatra nizara fampitaovana ho an’ny mpiasa eny ifotony.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.