Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Fifindran-toerana: hilalao ao amin’ny AS Excelsior i Baggio

Kitra – Fifindran-toerana: hilalao ao amin’ny AS Excelsior i Baggio

Nambaran-dRakotoarisoa Baggio Jean Romario, mpilalaon’ny Fosa Jr Boeny, teo aloha tao amin’ny tambajotran- tseraserany, ny herinandro lasa teo fa hifindra lasy atsy amin’ny Nosy La Réunion, ny tenany amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Voalazan’ny vaovao fa raha tsy misy ny fiovana, ao amin’ny AS Excelsior, no hisy azy amin’izany. Nolazain’i Baggio fa efa voasoratra sy tontosa ao amin’ity ekipa ity ny “licence” hilalaovany.

Nodisoiny, araka izany, ny filazana sy ny vaovao nandeha fa manatevina ny Five FC Analamanga ny tenany. “Manaraka kotrana ao amin’ity ekipan’ny boriborintany fahadimy ity fotsiny ny tenako fa tsy milalao ao akory”, hoy i Baggio.  Tsy mbola fantatra kosa hatreto ny fotoana handehanany mihazo an’i La Réunion, noho ny fisian’ilay valanaretina “covid 19”. Tsiahivina fa feno 27 taona, ny alahady lasa teo, i Baggio.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.