Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Nozarain’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, i Sahondrarimalala Marie Michelle fanafody ho enti-miady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid -19 ny mpiasa rehetra eto anivon’ny minisitera iadidiany, omaly. CVO, Magnésium-B6, vitamine C sy arotava no nozaraina. Nambarany fa ilaina ny fandraisana andraikitra sy fanajana ireo fepetra hoentina miady amin’ny valanaretina. Nisy ny fitiliana natao tamin’ny zoma lasa teo ho an’ny mpiasa ary mbola hitohy izany.

Notokanana, omaly, ny efitranon-tsekoly roa vaovao etsy amin’ny EPP Antohomadinika. Fiaraha-miasa amin’ny masoivoho frantsay no nahafahana nanao izany trano izany. Tanjona ny hanamaivana ny isan’ny mpianatra raisina amina efitranon-tsekoly iray, indrindra amin’izao fihanaky valanaretina covid-19 izao. Nahafahana nanavao ny kojakoja enti-mampianatra sy ny fitaovana tao an-tsekoly ihany koa ny tohana avy amin’ny masoivoho frantsay.

 

Les commentaires sont fermées.