Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanatsarana ny fanabeazana: tokony hilaza ny olana ny mpampianatra

Fanatsarana ny fanabeazana: tokony hilaza ny olana ny mpampianatra

Nandritra ny fanamarihina ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana, omaly, nanamarika ny minisitry ny Fanabeazana, i Sahondrarimalala Marie Michelle fa manoloana ny fiatrehana ny valanaretina Coronavirus eny anivon’ny sekoly, ny mpianatra no ambasadaoron’ny fahasalamana , manitsy ny fiarahamonina, hahafahana miroso amin’ny fampandrosoana. Tany amin’ny Lycée Andrianampoinimerina Sabotsy Namehana, Cisco Antananarivo Avaradrano no nanamarihana izany. Lohahevitra noraisina ny hoe « Mamelona ary mamelona aina ny fanabeazana ny taranaka tratran’ny Covid-19 ». Nanambara izy fa masina ny asa fanabeazana satria manasoa ireo taranaka. Noho izany, ireo mpanabe no fanasin’ity firenena ity ka maro ny zavatra mbola tokony hohatsaraina sy hampiharina, indrindra ny fijerena manokana an’ireo mpanabe . « Raisiko ho andraikitra ny hiahy ireo mpanabe tsirairay avy », hoy izy. Noho izany, tsy tokony hisalasala ny mpanabe amin’ny fampahafantarana ny zava-misy eny ifotony hahafahana manampy anareo hampisondrotra sy hanatsarana ny fomba fiasa ». Nanamafy ihany koa izy fa ilaina hatrany ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra iadiana amin’ny valanaretina.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.