Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

An-kitsim-po: Kely ny fanantenana

Tamin’ity taona ity no ambony indrindra ny maripana teto amintsika sy maneran-tany. Tsy ampy koa ny ranon’orana, miantraika mivantana any amin’ny fambolena, mitarika mankany amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Firenena mifototra amin’ny fambolena rahateo  i Madagasikara, sady mivelona aminy ny 75%-n’ny Malagasy.

Kely ny fanantenan’ny tantsaha mpamboly amin’izao tsy fahampian’ny orana ho enti-mamokatra izao. Kely ny fanantenana satria tsy fantatra na ho afaka hamboly vary ihany ireo manao vakiambiaty aty afovoan-tany, indrindra any Alaotra, sompitr’i Madagasikara, tena mamatsy an’Antananarivo sy Toamasina.

Efa endrika iray manamafy ity loza manambana ity ny firongatry ny kere any atsimo, mahatonga ireo mponina hitsoaka mamonjy tanàn-dehibe sy aty afovoan-tany. Soa fa nahazo rano tsara ny tapany avaratry ny Nosy, sady mamokatra rahateo iny faritra iny. Mirona mamboly voly fihinana ny mponina ankehitriny fa tsy nionona tamin’ny fambolena voly fanondrana  intsony.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.