Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanodinana vatosoa: mitohy ny fanofanana ao amin’ny IGM

Toeram-piofanana manokana ny Ivontoerana misahana ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara (IGM). Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika (MMRS) ity foibe ity, hany manana ny fankatoavana ara-panjakana amin’ny fanodinana ny vatosoa eto Madagasikara. Izy irery ihany koa no hany foibe fiofanana manana lanja iraisam-pirenena, ankatoavin’ny GEM-A any Londres Angletera aty Afrika sy ny ranomasimbe Indianina.

Efa nisokatra nanomboka ny volana desambra 2020 teo ny fisoratana anarana, hatramin’ny volana febroary ho avy izao. Maro ny fiofanana azo arahina, toy ny lalam-piofanana fanodinanana vatosoa, maharitra telo taona, ahazoana ny diplaoma “licence en gemmologie/géologie”, ho an’ny manana bakalorea. Eo koa ny fiofanana ho teknisianina manokana amin’ny harena an-kibon’ny tany, GEM, ho teknisiana iraisam- pirenena amin’ny harena an-kibon’ny tany, iarahana amin’ny “Accrediting teaching center” (ATC). Manampy ireo, misy koa ny fiofanana mafy kokoa, mandritra ny enim-bolana, natao ho an’ny manana ny diplaoma bakalorea. Tafiditra ao anatin’izany lalam-piofanana izany ny fandalinana ny tsena iraisam-pirenena. Miainga any amin’ny fanodinana ny harena an-kibon’ny tany, ny famantarana ny karazam-bato, sns. Hampiasaina avokoa ny fitaovana avo lenta mifandraika amin’izany. Manome ny diplaoma sahaza izany ny GEM-A any Londres.

Ankoatra ireo, manao ny asa fitiliana, hamantarana ny sokajina vato ny IGM, efa nanomboka ny taona 2006.

Njaka A.

 

Les commentaires sont fermées.