Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanampiana ny any atsimo: naneho firaisankina ny Frenchtown avy any Frantsa

Fanampiana ny any atsimo: naneho firaisankina ny Frenchtown avy any Frantsa

Tontosa ny asabotsy 23 janoary teo ny fampisehoana nataon’ny tarika Frenchtown avy any Frantsa, nanomboka tamin’ny 8 ora alina. Naharitra teo amin’ny adiny iray sy sasany teo izany, notanterahina teo amin’ny pejy facebook-n’ny ONG Vahatra, ny Frenchtown music, sombiniaina fotsiny/SCC. Ho firaisam-po sy fanohanana ireo havana tratran’ny tsy fanjariantsakafo sy ny Kere any atsimon’ny Nosy ny anton’ity hetsika ity.Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny ONG Vahatra sy ny tarika, nampitondraina ny lohahevitra hoe  “Izay tia mahafoy- kere” izany. “Ndao hiara-hientana hiady amin’ny hanoanana ao amin’ny Nosy Madagascar , vonjeo ny aina”. Efa maro ny hetsika nokarakarain’ity fikambanana ity hoenti-manampy ireo mpiray tanindrazana any ampitan-dranomasina, ao anatin’izany ny hetsika tsipaipaika hanangonana izay foy eny an-dalana rehetra eny. Eo koa ny hetsika fifaninana manao rap slam, izay mifototra amin’ny lohahevitra famonjena ireo any atsimo, indrindra ny “zara fitia, zara tsiky” , izay hetsika tantara an-tsangana sy poezia notanterahina tao Bel’air Ampandrana, ny 30 desambra 2020 lasa teo. Mitohy hatrany ny hetsika sy ny fiaraha-miasa ataon’ny ONG Vahatra eo amin’ny fifanampiana sy famolavolana ny olona amin’ny sehatry ny kolontsaina sy ny famokarana.

 

 

Narilala

Les commentaires sont fermées.