Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Judo – « Open Mat » : Klioba maro mifampizara traikefa

Judo – « Open Mat » : Klioba maro mifampizara traikefa

Ny Judoka Esca Esca, ny CCV Judoclub, ny Judo Club Hakudokan ary ny MJI. Ireo, hatreto, no mandray anjara amin’ilay « Judo Open Mat », karakarain’ny klioban’ny AS St-Michel Judo. Efa roa herinandro izao ny nizoran’izany, etsy amin’ny dojo ny kolejy St Michel Amparibe. Marihina fa fiarahana manao fanazarantena izy ity, natao hifanakalozana sy hifampizarana traikefa, ka tena tanjona mandritra izany ny hampakatra ny haavo sy ny lentan’ireo judokas. Hatreto, mbola tsy voafetra ny faharetany fa isaky ny alatsinainy amin’ny 5 ora hatraminy 6 ora sy sasany hariva ao amin’ny St Michel. Misokatra amin’ny sokajy “cadet” ka ha­traminy “veteran” izany, ha­nentanana sy hiantsoana ha­trany ireo judokas na eto Analamanga na ihany koa ireo mpikatroka avy any amin’ny ligim-paritra hafa, mandalo eto an-dRenivohitra, mba handray anjara amin’izany. Azo lazaina fa mendrika alain-tahaka izao hetsika karakarain’ny Judo club St Michel izao, ankoatra ny fizarana traikefa, fomba iray natao hampivoarana ity taranja ity ihany koa izao.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.