“Chan 2021” – Sokajy A Mitarika i Kameronina sy i Mali
Miditra amin’ny andro faharoa, fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2021”, ny rehetra. Fihaonana tanterahina any Kameronina. Niatrika izany ny sokajy A, ny alatsinainy lasa teo, ka nisaraka ady sahala, 1 sy 1, ny Liona tsy voafolak’i Kameronina sy ny Voromaherin’i Mali. Samy mitarika izy ireo hatreto, ary samy manana isa efatra. Nahazo isa telo ihany koa i Borkina Faso, rehefa nandavo an’i Zimbaboe, tamin’ny isa, 3 no ho 1. Hitohy anio ny fifanintsanana ka hihaona i Maraoka sy i Roanda ary i Ogandà sy i Togo, ho an’ny vondrona C.
La Réunion Niala tao amin’ny JSSP i Mamy Gervais
Tsy hilalao intsony ao amin’ny JS St Pierroise, ny taom-pilalaovana 2021-2022, Randrianarisoa Mamy Gervais, vodilaharana malagasy. Araka ny fantatra, hifindra ao amin’ny ekipan’ny Tampon indray ny tovolahy. Ity ekipa ity izay tantanin’i Jean Pierre Bade. Mahafantatra tsara ny fomba filalaon’i Mamy Gervais ity mpanazatra ity. Marihina fa 37 taona, amin’izao fotoana izao, i Mamy Gervais, efa nanatevina ihany koa ny Barea de Madagascar, tany amin’ny “Can 2019”.
Tompondaka
Les commentaires sont fermées.