Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Zandary iray koa namoy ny nandritra ny fanafihan-jiolahy teny amin’ny fokontany Ambohibato Ambohimanambola, omaly. Nitsofoka teo amin’ny varavarankely ireo jiolahy ary tafiditra tao an-trano. Notsatotsatohin’ireo jiolahy antsy ilay zandary. Nandeha ny fikarohana nataon’ny zandary avy ao amin’ny kaompania Tanà Ville ka tratra ireo jiolahy roa tompon’antoka amin’izany.

Olona maromaro koa indray naratra mafy vokatry ny fifandonan’ny taxi-be iray mpitatitra olona mankany Ambodifasina sy ny fiara 4×4 iray teny Ivato, akaikin’ny tobin’ny miaramila RFI, omaly. Mafy ny fifandonana satria potipotika ny ireo fiara nifandona. Torana tsy nahatsiaro tena kosa ireo naratra. Vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza.

 

 

 

Les commentaires sont fermées.