Ho fanomanana ny “Trophée Barthès”, tanterahina any Nairobia, Kenya, ny 25 marsa hatramin’ny 5 avrily ho avy izao, hisy ny fifantenana mpilalao handrafitra indray ny Makis de Madagascar. Araka izany, antsoin’ny Malagasy rugby avokoa ireo tovolahy rehetra mahafehy ny taranja baolina lavalava, teraka ny taona 2001, ny 2002, sy ny 2003, ho tonga eny amin’ny kanja Makis Andohatapenaka, ny 27, ny 28 ary ny 29 janoary ho avy izao hiatrika fitsapana. Misy anefa ny masontsivana takina amin’ireo mpilalao: ny halavana sy ny lanja, ka ho an’ny “pilier”, mila olona mirefy 1,70 m milanja 100 kg. Ny “2è ligne”, mirefy 1,85 m ary milanja 85 kg. Ny “3è ligne”, olona manana halavana 1,85 m milanja 75 kg. Ny “charnière” na (N°9, N°10), olona mirefy 1,65 m milanja 70 kg. Ny “arrière”, olona mirefy 1,70 m, mila olona mihoatra ny 75 kg.
Takina amin’ireo mpilalao hiatrika fitsapana ihany koa ny taratasy fanamarinana avy amin’ny mpitsabo fa olona efa voatily fa tsy mitondra tsimokaretina Covid-19 izy ireo (test PCR). Eo ihany koa ny kopiam-pahaterahana.
Tsiahivina fa firenena efatra no hiady io “Trophée Barthès” io: i Namibia, i Kenya, i Sénégal ary i Madagasikara. Hiatrika ny “Junior world rugby trophy”, hatao ny volana septambra ho avy izao, izay ho tompondaka amin’io.
Tompondaka
Notanterahina, omaly teny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny anjerimanontolo sy ny Malagasy rugby, hampivoarana ny baolina lavalava, eny amin’ny oniversite. Nambaran-dRakotomalala Marcel tamin’ny kabary nataony fa hatreto, efa mpianatra roa vavy, avy eny amin’ny ambaratonga ambony, no efa mandrafitra ny Makis de Madagascar, rugby lalaovina olona fito.
Les commentaires sont fermées.