
Hiditra amin’ny dingana famaranana, manomboka anio, ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, N1A, taranja basikety, ka hisantarana izany etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny lalao ampahefa-dalana.
Miverina indray anatin’ny fifaninanana ireo ekipa valo lehilahy sy valo vehivavy, manomboka anio, rehefa avy niala sasatra kely, omaly. Ekipa sangany avokoa ireto tafakatra amin’ny ampahefa-dalana ireto ka hafana ny fifandonana amin’ny samy mpifanandrina. Raha ny fandaharan-dalao, hihaona amin’ny GNBC, tompondaka 2019, ny ekipan’ny MB2All. Raha ny tombana, hivoaka sempotra ihany ny MB2All satria hifanandrina amin’ny laharana voalohany amin’ny vondrona ilany. Na izany aza anefa, tsy mbola fantatra izay mety ho fitsimbadiky ny lalao eny ambony kianja. Azo antoka mantsy fa samy efa nanomana mafy avokoa ireo ekipa tafakatra rehetra. Mahakasika hatrany izay fandaharan-dalao izay, hifandona voalohany, anio maraina, ny samy klioban’i Vakinankaratra, ny JEA sy ny Serasera, eo amin’ny sokajy vehivavy. Fifanandrinana andrasan’ny maro ihany koa ny lalao eo amin’ny CosPN sy Sebam, sokajy lehilahy, izay hafana tokoa. Eo ihany koa ny fifandonan’ny Tamifa sy MB2All eo amin’ny sokajy vehivavy.
Mi.Raz
Fandaharan-dalao anio
Vehivavy: JEA vs Serasera/Tamifa vs Mb2All/Ankaratra vs CosPN2/SBBC vs ASA
Lehilahy: Ascut vs ASBC/GNBC vs Mb2All/Cosfa vs Cosmos/Sebam vs CosPN
Les commentaires sont fermées.