Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vahoaka… mahalala izay atao aminy sy ny ataony

Vahoaka… mahalala izay atao aminy sy ny ataony

Mbola ahina hihamafy ny kere any atsimo? Tsy fahampiana na tsy fisian’ny rotsak’orana ihany no antony. Hanao ahoana ny taom-pamokarana amin’izany? Tsia, tsy ny any atsimo ihany. Na ny manerana an’i Madagasikara aza, mampanahy sy mampiroaroa saina. Tsy ny rano no tsy ampy fa ny politika fifehezana azy no tsy nisy hatramin’izay.

Miara-dalana amin’izay kere izay, tsy mahafa-bela ny firongatry ny mpifindra monina. Eny, na lazaina ho misy isan-taona aza ny mpila ravinahitra: tsy takona afenina ny fahamafisan’ny kere any Atsimo. Hanao ahoana? Samy manana ny fahasahirana ny amin’izao, ary marolafy ny olana: mahazo ny maro eny ifotony, tsy azo tamoraina, mila vahana maika…

Mbola tsy mahafa-bela tanteraka, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, ny doro tanety, ny ady tany… Manampy trotraka ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fahasahiranana amin’ny famatsian-drano… Marolafy ny olana… mifampiankina. Marolafy ihany koa ny vahaolana? Ny ady tsy ahi-mahatratra. Nefa tsy ahina intsony izao ady izao fa efa mihatra.

Azo antoka sy mahomby ny vahaolana, raha samy miatrika izay tandrify azy ny isan-tsehatra sy ambaratonga? Na anaovana ady am-parimbona ny raharaha… Atao raharaham-pirenena toy ady amin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19… Nahombiazana farany teo; eny, na mbola tsy resy tosika tanteraka aza. Ny fiaraha-miady no antoka handresena.

Tena misy ny fahatapahan-kevitra sy ny fahavononana hamaha olana? Fiatrehana eny ifotony sy mivantana ny ady, araka izay tandrify ny tena: tsy vitan’ny fanaraha-maso sy famoahana fanambarana, ohatra, fa tena vahaolana haingana sy mivaingana, miantraika mivantana amin’ny vahoaka, mampandroso ny fianam-bahoaka… Fotoan’ny asa izao.

Izay ihany no antoka mahamarin-toerana sy mampilamina na toy inona mety ho fanaratsiana, fanakiviana, famafazana lainga, fanakorontanana… Ny olana mivaha na an-dalam-pamahana no tsy mampisy olana amin’izay mitranga sy atao. Mby aiza? Eo ny vahoaka manana ny fijeriny mahita izay atao aminy, mandinika sy mahalala koa izay ataony.

Rafaly Nd.

 

Les commentaires sont fermées.