Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toetr’andro: mbola mitohy ny ora-mikija any avaratra sy andrefana

Toetr’andro: mbola mitohy ny ora-mikija any avaratra sy andrefana

Mbola mikija ny orana hatrany Avaratra sy andrefan’ny Nosy ateraky ny andian-drahona miaraka amin’ilay rivodoza Eloise. Mitohy ny fiakaran’ny rano amin’ireo faritra ireo ka mila mailo ny mponina.

53%-n’ny rotsak’orana tokony hilatsaka tamin’ity volana janoary ity no nilatsaka tao anatin’ny iray andro tao Antalaha raha ny fandrefesan’ny mpamantatra ny toetr’andro. Efa manodidina ny 139 mm izany rotsak’orana izany ary mihoatra be amin’ny tokony ho izy.

Torak’izany ny oram-be mihoa-pampana ao Nosy Be izay manodidina ny 31% amin’ny tokony hirotsaka amin’ity volana ity. Miakatra ny renirano, mila mailo amin’ny fihotsahan’ny tany.

Efa nihena be ny heriny. 50 km isan’ora ny rivotra entiny izay mifandray amin’ny tsioky ny talio mihamatanjaka amin’ny tapany avaratra-andrefana.

Nivoaka an-dranomasina io maraina io izy.

Mbola mitoetra ny filazana miendrika fahamailoana miloko manga ho an’ny faritra sy distrikan’i  Sava, Analanjirofo, Bealanana, Befandriana Avaratra ary Mandritsara.

Hanatombo ny rotsak’orana amin’ny tapany avaratra-andrefan’ny Nosy.

Ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka avaratr’i Toamasina, eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Morombe dia entanina tsy hiandriaka satria mikorontana ny toetr’andro, oram-baratra sy mandrivotra.

Amin’ny alatsinainy vao hiverina ny orana

Ho an’Antananarivo, nilaza ny mpamantatra ny toetr’andro fa amin’ny alatsinainy any indray vao hisitraka orana ny eto afovoan-tany.  Hisy ny orana tandrifindrahona kosa amin’ny toerana sasantsasany arakaraky ny fitsitokotokoan’ny rahona. Manodidina ny 19°C ka hatramin’ny 26°C ny maripana. Ho an’i Toliara, hanodidina ny 27 ka hatramin’ny 34°C kosa ny maripana.

 

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.