Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nandravarava i Eloïse: Bajaj iray nihotsahan’ny tany tao Nosy Be

Anisan’ireo toerana nandalovan’ny rivodoza Eloïse ao Nosy Be Hell Ville. Tapaka nandritra ny fotoana fohy ny lalana mandeha Andilana eo amin’ny tanàna antsoina hoe Menapigno noho ny fiakaran’ny rano sy fako maro isan-karazany, efa nihoatra sy nanakan-dalana teo amin’ny tetezana. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, tsy tapaka akory ny tetezana fa tsy afaka nandehanana noho ny fisian’ireo fako ireo. Niroso tamin’ny fakana ireo fako ireo ny eo anivon’ny kaominina sy ny mpamonjy voina ka efa afaka nandehanana ny lalana taorian’izay. Fa bajaj iray koa nihotsahan’ny tany tao Ambodivoanio akaikin’ny kianja filalaovam-baolina. Potika tanteraka ilay bajaj, tsy nisy kosa ny naratra na namoy ny ainy tamin’izany. Nanao izay ho afany tamin’ny fikarakarana ny tompon’andraikitra rehetra ao an-toerana. Mbola mampitandrina ny vahoaka ireo manampahefana ao Nosy Be satria mbola mihaodihaody eto amin’ny Nosy ny rivodoza ka tokony ho mailo hatrany indrindra ho an’ireo mampiasa ny ranomasina.

J.C

 

 

 

Les commentaires sont fermées.