Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mizara Soa: hanao tolo-tanana ho an’ny mpatory an-dalana

Mizara Soa: hanao tolo-tanana ho an’ny mpatory an-dalana

Tsy ny fitiavan-tanindrazana avoitra anaty teatra sy sarimihetsika ihany fa tena iainana mihitsy ny talenta. Hanao tolo-tanana ho an’ireo sahirana eny amoron-dalana ny “Mizara Soa” sy ny namany. Izany dia notanterahina nanomboka tamin’ity volana ity ary ny farafandraisana ny fanampiana avy amin’ny rehetra malala-tanana dia ny alatsinainy 25 janoary 2021 izao. Amin’ny asabotsy 30 janoary ny fizarana izany ho an’ny eto Antananarivo. “Raisina am-pitiavana daholo izay foin’ny olona, toy ny vilany, lovia, fitafiana, vary, menaka ary afaka mandray Mvola ihany koa. “Atao mangarahara amin’ny rehetra ny zavatra voangona”, hoy i Rhuja na i Rasoa, namorona ny “Mizara Soa” izay midika hoe “Rasoa mizara”, raha ny filazany.  Ny fanampiana dia azon’ny rehetra aterina amin-dRasoa, ho  an’ireo etsy Analakely sy ny manodidina. Ny eny Ambohimanarina, homena an’i Rary Mampionona. Ampasampito, atolotra an’i Ando Harinjaka. Itaosy sy ny manodidina, amin’i Jean Degra. Tanjombato, amin-dramatoakely Ivo’art, Ambohimalaza amin’i Nantenaina Patrick, ary ny Ankazomanga sy ny manodidina kosa, aterina amin’i Amboara A.  Ny fikambanana Bee z’art sy ny M’art Soa moa no miara-manatontosa ity hetsika ity. Azo aterina eny amin’ny Skate Park Antanimena avokoa ny fanampiana rehetra na miditra amin’ny tambajotran-tserasera facebook “ association Bee Z’art” sy ny M’art Soa”, araka ny toromarika.

Narilala

Les commentaires sont fermées.