Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mitaraina ny fianakaviana: navotsotry ny fitsarana ireo jiolahy nandroba mpandraharaha

Mitaraina ny fianakaviana: navotsotry ny fitsarana ireo jiolahy nandroba mpandraharaha

Io indray! Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety i Fanondrana Maxime sy i Frédéric, fianakavian’i Benis Daniel, ilay mpandraharaha jirofo voaroba vola 200 tapitrisa Ar tao Ambohijafy Toamasina, ny 30 novambra 2020 tokony ho tamin’ny 6 ora hariva, nandritra ny fijanonan’ny taksiborosy iray nitondra azy. “Amin’alahelo no ilazanay etoana fa navotsotry ny fitsarana sahady Ramamy sy ny tariny, izay jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana sy lehiben’ireo jiolahy ao Toamasina. Vao ny 5 janoary izy ireo no naiditra am-ponja vonjimaika ary mbola ny 11 marsa ho avy izao ny famotorana lalina nefa navotsotra sahady”, hoy ny fianakavian’ilay mpandraharaha.

Raha hiverenana ity raharaha ity, anisan’ny nanaovan’ny polisy fanamby manokana ny tsy maintsy hahasamborana ireo jiolahy mpandroba ao Toamasina. Nahitam-bokany izany satria, ny 4 janoary lasa teo no voasambotra tao Antanandava Ramamy, tompon’ny motobe nampiasain’izy ireo. Nohamafisin’ny polisy fa tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana izy telo lahy tratra ireto ary efa maro ny lasibatra.

Sajo

Les commentaires sont fermées.