Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Milaza hitokona ny mpianatra ho mpitsabo: « Manaraka dingana ny famoahana vola », hoy ny minisitera mpiahy

Milaza hitokona ny mpianatra ho mpitsabo: « Manaraka dingana ny famoahana vola », hoy ny minisitera mpiahy

Mafanafana indray ny eny amin’ny oniversiten’Antananarivo satria manambana fitokonana ny mpianatra ho mpitsabo. “Misy dingana ny famoahana vola”, hoy ny minisitera mpiahy.

Nampahafantatra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mpiahy ny fampianarana ambony ny mpianatra ao amin’ny fakiolte fianarana ho mpitsabo fa hanao fitokonana, anio, noho ny antony maromaro. Voalazan’ny fanambaran’izy ireo fa miandry ny fanefan’ny fanjakana ny vatsim-pianarana dimy volana ho an’ny taom-pianarana 2019-2020 izy ireo satria efa nanomboka nianatra ny volana febroary, taona 2020 ary niverina nianatra indray ny volana oktobra rehefa vita ny fihibohana vokatry ny valanaretina, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra ho mpitsabo, omaly. Manampy izay ny sandan’ny fianarana asa eny anivon’ny hopitaly ho an’ny taom-pianarana 2018-2019 sy ny vola fampitaovana ho an’ny taom-pianarana mandeha izao. Mangataka koa izy ireo hijerena manokana ny sorabola mifandraika amin’ny saran’ny fisoratana anarana (izay midangana be araka ny voalaza) na ny vatsim-pianarana fa tsy mahaleo ny vidim-piainana, amin’izao fotoana izao intsony. Mangataka fanazavana momba ny antony tsy mampivoaka ny fizarana ny vatsim-pianarana izy ireo satria tsy mety tafahaona amin’ny fiadidiana ny oniversiten’Antananarivo, hatramin’ny omaly.Tsy tokony ho tonga amin’ny hetsika fitokonana ny raharaha, raha nisy ny fifanazavana, hoy ny mpitarika ny fikambanana, omaly.

Miandry ny antontan-taratasy avy amin’ny tompon’andraikitra 

Etsy an-daniny, namoaka fanazavana koa manoloana izany fikasan’ny mpianatra hitokona izany ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, omaly ihany koa. Momba ny vatsim-pianarana, ny zoma lasa teo vao tonga teny anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ny anaran’ireo mpianatra rehetra hisitraka izany. Antontan-taratasy ilaina amin’ny famoahana vola izany ary efa mizotra ny famoahana ny vola, amin’izao fotoana izao. Ho an’ny sandan’ny fianarana asa, misasaka ny andraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony satria samy mandoa 50% avy. Miandry ny antontan-taratasy rehetra mifandraika amin’izany ny minisiteran’ny Fampianarana ahafahana miroso. Mikasika ny saran’ny fisoratana anarana, mahaleo tena ny oniversite isanisany hamaritra ny saran’ny fisoratana anarana mety aminy fa tsy miditra ny minisitera mpiahy. Nanamarika ny filazana fa efa nampahafantarina ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra rehetra sy ny association pédagogique isanisany ireo fanazavana momba ny zavatra telo nangatahin’ny mpianatra ireo, ny herinandro lasa teo. Ho fiarovana ny filaminana eny anivon’ny oniversite no tanjon’ny minisitera.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.