Misy hatrany ireo mandroritra vaovao diso ! Nivoaka tamin’ny Filankevitry ny governemanta natao ny alarobia 13 janoary lasa teo ny didim-panjakana manafoana ny « Maison de la culture », na ny Tranoben’ny kolontsaina ao Mahajanga sy Fénoarivo Atsinanana. Ny rafitra mifehy azy ireo, amin’ny « établissement public » izay efa nofoanana tao anatin’ny rafitra an-tanan-tohatry ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no foana fa tsy harodana na horavana akory ny trano. Ho fanatanterahana ny toromariky ny filohan’ny Repoblika, mahakasika ny tokony hampihenana ny isan’ireo « établissements publics » izay mandany volam-panjakana ny antony.
Araka izany, mitohy ny asa efa nataon’ireo Tranoben’ny kolontsaina ireo, saingy noraisin’ny Fitaleavam-paritry ny serasera sy ny kolontsaina any an-toerana ny fitantanana izany. Tsy mikatona velively, araka ny roritin’ny mpanao politika sasany ao Mahajanga koa ny « Maison de la culture ». Mbola toerana fanaovana fampisehoana sy lanonana samihafa hatrany io. Na izany aza, efa mamaramparana ny asa fananganana ny « Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera » vaovao, izay eo akaiky eo ihany ho an’ny ao Mahajanga. Toerana fanampiny, hanomezan-danja hatrany ny kolontsaina io fa tsy hanafoana ny efa misy sy ny efa mipetraka ho vakoka akory.
Zo ny Aina
Les commentaires sont fermées.