Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Judo: kandidà ho filohan’ny UAJ Randrianasoloniaiko Siteny

Judo: kandidà ho filohan’ny UAJ Randrianasoloniaiko Siteny

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny federasiona malagasin’ny judo, Randrianasoloniaiko Siteny, fa kandida hofidina ho filohan’ny UAJ (Union Africaine de Judo).

Hotanterahina ny 18 mey 2021 izao, any Casablanca, Maraoka, ny Kongresy eo anivon’ny UAJ (Union Africaine de Judo), fotoana hanaovana ny fifidianana izay ho filoha vaovao ihany koa. Efa ho roa herinandro izay ny nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina amin’izany ny filohan’ny FMJ, Randrianasoloniaiko Siteny. Ny talata alina kosa vao nanambara tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny “Youtube”, izany firotsahany izany, izy. Nolazainy nandritra ny fanambarany fa ny hampisongadina ny judo eto Afrika manerana izao tontolo izao ny tanjony ka isan’ny nahatapa-kevitra azy hifaninana. Tetsy ankilany anefa, marobe ireo federasiona afrikanina, nampirisika ity filohan’ny federasiona malagasy ity, mba hirotsaka, rehefa nahita ny fahombiazana goavana, nandritra ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika, sokajy Seniors, notanterahina teto Madagasikara, farany teo.

Araka ny vaovao voaray, iray ihany ny mpifaninana hafa ankoatra an-dRandrianasoloniaiko Siteny. Ny filohan’ny federasion’ny judo ao Tchad, i Abakar Djermah Aumi, io kandidà io, izay efa elaela ihany ny nanomboka  ny fampielezan-kevitra tany amin’ireo firenena afrikanina, mpikambana eo anivon’ny « Union Africaine de Judo ». Tsiahivina, firenena miisa 57 ny mivondrona ao amin’ny UAJ, izay samy handrotsa-bato avokoa raha tsy misy ny sampona. Ankoatra ny fifidianana ho filoha, hatsangana amin’io 18 mey 2021 io ihany ny birao mandrafitra ny UAJ.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.