Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

  Jirama: nihena ny vidin-jiron’ny 80%-n’ny mpanjifa

 

Nampiharina nanomboka ny volana janoary izao ny Optima, fisokajiana ny mpanjifa amin’ny fandaniany jiro. Nampihena ny faktiora ity fepetra vaovao ity, indrindra ny tokantrano marefo, izay mitombo isa vokatry ny Covid- 19.

 Mizara efatra ny Optima. Ny “tarif social”, ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 100 kwh isam-bolana. Ny “tarif économique”, ho an’ny mandany latsaky ny 150 kwh. Ny “tarif confort”, ho an’ny mandany latsaky ny 300 kwh. Ary ny “tarif superconfort”, ho an’ny mandany mihoatra ny 300 kwh.

Araka ny tatitry ny Jirama, nihena ny vidin-jiro naloan’ny 80%-n’ny mpanjifa amin’ny fampiharana ny Optima. Ahitana tokantrano maherin’ny 455.000 manerana ny Nosy. Nidina manodidina ny 15% ny ao anatin’ny “tarif social” rehetra, mandany latsaky ny 100 kwh. Manodidina ny 6% hatramin’ny 26% ho an’ny “tarif confort”, mandany latsaky ny 130 kwh.

 

Njaka A.

 

Les commentaires sont fermées.