Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filoha Rajoelina tao Taolagnaro: « Ho maoderina sy mivoatra amin’ny teknolijia isika »

Filoha Rajoelina tao Taolagnaro: « Ho maoderina sy mivoatra amin’ny teknolijia isika »

Tsy nanadino ireo tanora sy ireo sahirana. Nialoha ny fifaranan’ny dian’ny filoha Rajoelina Andry, omaly tao Taolagnaro, mbola nitondra fanampiana sy nitokana zava-bita ny tenany tany an-toerana.

Anisan’izany fitokanany ny “Hotspot wifi” na ny toerana misy “Connexion internet” maimaim-poana eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna. Misokatra ho an’ny rehetra, indrindra fa ny tanora izany. “Velirano ny hanao an’i Madagasikara ho maoderina sy mivoatra amin’ny lafiny teknolojia sy ny fifandraisan-davitra. Tanjon’ny fotodrafitrasa ny hanampiana ireo tanora amin’ny fikarohana sy ny fianarana ary ny fifandraisana”, hoy izy. Na izany aza, voarara ny fitsidihana ireo pejy mamoafady, voarara ho an’ny zaza latsaky ny 18 taona.

Nanolotra fanampiana ho an’ireo sahirana…

Nialoha izany, nanolotra fanampiana toy ny sakafo ho an’ireo fianakaviana sahirana avy any amin’ny faritra Androy, tonga miakatra ao Taolagnaro hikaroka fivelomana ao an-toerana koa ny filoha. Mandray an-tanana ireo fianakaviana sahirana ireo ny fikambanan-dry Masera Fille de la Charité – Sahan’i Maria, miara-miasa akaiky amin’i Père Pédro eto Antananarivo. Nampanantena ny fikambanana fa hozaraina ara-drariny ary ho tonga amin’ny fianakaviana mila izany ny fanampiana. Hifanome tanana amin’ny fizarana ny ao anatin’ny Fikambanan’i Md Vincent de Paul. “Tsy irery ireo fianakaviana sahirana ireo miatrika ny fahasahiranana noho ny haintany sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Tsy maintsy hojerena ny fomba hahafahana mamonjy azy ireo”, hoy ny filoha.

Synèse R. 

 

Les commentaires sont fermées.