Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cisco Avaradrano: namendrahana fanafody ny sekoly rehetra

Cisco Avaradrano: namendrahana fanafody ny sekoly rehetra

Misoko mangina ny aretina Coronavirus eny anivon’ny sekoly, amin’izao fotoana izao. Misy sekolim-pinoana tsy miankina eto Antananarivo nahitana tranga voamarina nefa tsy misy fandraisana fepetra manokana manoloana izany. Mitohy ihany ny fampianarana fa ny fepetra ara-pahasalamana no nohamafisina. Nanambara ny mpiandraikitra iray ao amin’ny fampianarana katolika ato anatin’ny diozen’Antananarivo fa efa nahazo toromarika avokoa ny sekoly rehetra hampihatra ny fepetra ara-pahasalamana, nandritra ny fivoriana niraisana ny herinandro lasa teo. Ny prefektioran’ny polisy eto Antananarivo sy ny kaominina Antananarivo efa namoaka didy fa tokony horarahana fanafody matetika ny efitrano fianarana ary mila alaina eo am-pidirana ny maripana ho an’ny mpianatra tsirairay. Ho an’ny Cisco Avaradrano, andrarahana fanafody avokoa ny sekolim-panjakana ao anatin’ny Cisco, amin’ity herinandro ity hiarovana ny mpianatra amin’ny tsimokaretina, araka ny toromarika. Samy manana ny lamina mifanandrify amin’izay ny tsirairay, hoy ny sefo Cisco Avaradrano, omaly.

Vonjy   

Les commentaires sont fermées.