Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety-N1A 2020: fantatra ireo hiatrika ny ampahefa-dalana

Taorian’ny andro fahadimy ny fifanintsanana, amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara N1A, fantatra avokoa ireo hiatrika ny lalao ampahefa-dalana, hotanterahina rahampitso etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Efa nampoizina avokoa ireo ekipa tafakatra, dia ireo efa azo lazaina ho sangany, raha ny fahitana ny voka-dalao hatrany am-piandohana. Isan’izany ny SBBC Boeny, izay laharana voalohany ao amin’ny vondrona misy, taorian’ny fifandonana tamin’ny COSPN2, omaly, ka nahazoan-dry Prisca sy ry Dhalia ny isa 70 no ho 57. Laharana voalohany ao amin’ny vondrona ilany, sokajy vehivavy, kosa, ny Mb2All izay nandresy ny Serasera Vakinankaratra, tamin’ny isa 69 no ho 40, omaly.

Ho an’ny sokajy lehilahy, nisongadina hatrany am-piandohana ny GNBC, izay tsy mbola  resy mihitsy nandritra ny fifanintsanana, torak’izany ihany koa ny ekipan’ny Ascut, Sebam, Cospn, Cosfa, Cosmos, izay samy tafakatra amin’ny ampahefa-dalana. Tsy isan’ny hanohy ny fifaninanana intsony ny BCEst, Asb, Crjs, 2bc, Ascb ary ny Tmbb.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.