Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mamely mafy ny rivo-doza Eloïse tany Avaratra: nentin’ny rano ny 4×4 iray, tsy hita ny mpandeha roa

Mamely mafy ny rivo-doza Eloïse tany Avaratra: nentin’ny rano ny 4×4 iray, tsy hita ny mpandeha roa

Tsy nanam-po ireo mpandeha. Tampoka  ny nandalovan’ny ranotrambo tao amin’ny Pont Namakia Antsiranana, mihazo an’Antsahampano. Nopaohiny tamin’izany ny fiara 4×4 iray, ka lasa lavitra ary simba tanteraka. Mbola tsy hita popoka ny mpandeha roa, tamin’ny ora farany nanoratanay, omaly. Vokatry ny orambe nialohan’ny nidiran’ny rivodoza Eloïse ny ranotrambo. 

Fiara 4×4 nitondra mpandefa efatra ity lasan’ny ranotrambo ity. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, nandeha teo amin’ny tetezana (pont Namakia) ity fiara ity no sendran’ny ranotrambo tampoka ka lasan’ny rano. Lasa lavitra mihitsy ilay fiara ka nanao izay ho afany tamin’ny fikarohana ireo olona sy ilay fiara ny zandary sy ny Tafika nampian’ny fokonolona tao an-toerana. Voavonjy ny olona roa, saingy efa naratra mafy raha tsy hita popoka kosa hatramin’ny omaly ny olona roa hafa. Potipotika ilay fiara 4×4 ary mbola mitohy ny fikarohana ireo olona roa hafa tsy hita hatramin’ny omaly hariva. Voalaza fa noho ny fiakaran’ny rano tampoka nateraky ny rivodoza Eloïse tany amin’ny tapany avaratry ny Nosy iny no nahatonga ny loza. Mafy dia mafy ny rano mandalo eo amin’io tetezana io ary efa mihoatra ny tetezana mihitsy ny rano. Fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny loza, tonga teny an-toerana ny tompon’andraikitra rehetra any amin’iny faritra iny ka nandray andraikitra niaraka tamin’ny fifanomezan-tanana teo amin’ny fokonolona tamin’ny fampiakarana ny fiara avy ao anaty rano. Nanamafy hatrany ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) fa efa misy fiantraikany amin’ny toetr’andro any amin’ny faritra avaratry ny Nosy ilay rivodoza Eloïse. Koa entanina ny mponina amin’iny faritra iny mba hitandrina manoloana ireo tany mety mihotsaka, ireo hazo mety hianjera tampoka, indrindra amin’ny fiakaran’ny rano. “Manentana ny rehetra ho mailo hatrany amin’ny loza mety ateraky ny fiakaran’ny rano amin’ireo faritra handalovan’ny rivodoza”, hoy hatrany ny fanazavan’ny MDN.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.