Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jiro tapatapaka: mila herinaratra foibe fiandry

Jiro tapatapaka: mila herinaratra foibe fiandry

Mahatratra 90 MW ny tanjaky ny herinaratra any Andekaleka, miantoka ny 40%-n’ny filàna mamatsy ny tambajotra iraisan’Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Tapaka matetika ny herinaratra mandritra izao fotoam-pahavaratra izao. Nambaran’ny talen’ny tambajotra iraisana (DERI) ao amin’ny Jirama, Raoeliarivony Haja, fa tsy maintsy mitranga izany fahatapahana izany satria misy ny varatra milatsaka amin’ireny fitaovana mitondra herinaratra ireny. Misy ny fitaovana manokana fiarovana, mandray ny varatra milatsaka, mba tsy hanimba ny tambajotra mitondra ny herinaratra. Saingy miantraika any amin’ny tambajotra ihany izany raha mahery loatra ny varatra, mahatonga ny famatsiana herinaratra tsy maintsy tapaka.

Nambarany koa fa misy tokoa ny vahaolana volavolaina. Toby fiandry, hameno io 90 MW vokarin’Andekaleka io. Eo ny tetikasa Sahofika, hamokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano, raisina any amin’ny reniranon’i Onive, any atsimon’Antsirabe hatrany Ambositra, hamokatra 205 MW. Eo koa ny tetikasa Ivolobe, hamokatra 120 MW any Toamasina.

Tsy mbola afaka nanomboka fa nihemotra ny fanombohana ireo tetikasa ireo, vokatry ny Covid-19.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.