Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanjarian-tsakafo: namolavola paikady ny mpampianatra

50%-n’ny zaza malagasy 6 ka hatramin’ny 59 volana tratran’ny tsy fahampian-dra avokoa ka ny 30% miseho amin’ny endrika mahery vaika. 35% amin’ny vehivavy koa voan’io tsy fahampian-dra io, araka ny fanadihadiana natao. Anisan’ny antony mitarika amin’ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka sy ny tsy fahampian’ny singa mpamelona. Nisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo, nametraka tetikasa fanovozan-tsoa ny sakafo (PFOA) ny Gret sy ny orinasa Nutri’zaza, izay tohanan’ny Vondrona eoropeanina sy ny Consulat de Monaco, nanomboka ny taona 2017 mandritra ny efatra taona mahery. Tanjona ny hahamora ny fahazoan’ny reny sy ny ankizy sakafo feno hery satria namokatra sakafo notovozin-tsoa ny tompon’andraikitra ary naparitaka ho an’ireo voakasika. Ankoatra izay, namolavola fitaovana fanentanana any an-dakilasy ho an’ny mpianatra momba ny sakafo sy ny fanjarian-tsakafo ny tetikasa. Ny mpampianatra no nasaina nikaroka hevitra hamokatra fitaovana entina mampita ny fahalalana momba ny sakafo. Anisany ny karatra mora kirakiraina ho an‘ny mpianatra T1 ka hatramin’ny T5 novokarin’ny mpanabe ao amin’ny EPP Andohatapenaka II. Misy ny lesona momba ny sakafo sy ny fahadiovan’ny sakafo izany. Tsapa fa mahaliana ny mpianatra kokoa ny mianatra amin’ny alalan’ny lalao, hoy ny mpanabe iray ao amin’ny EPP, Rahelimandimby Heritiana. Fitaovana faharoa koa ny tabilao misy kofehy ahitana ny sokajin-tsakafo. Hoentin’ny mpianatra any an-trano ny fahalalana azony ary ho raikitra aminy mandra-pahalehibe ny hafatra. EPP 20 eto Antananarivo Renivohitra , Avaradrano sy Atsimondrano  no nizarana ny fitaovam-pampianarana novolalain’ny mpampianatra ihany taorian’ny fiofanana ao momba ny sakafo ara-pahasalamana sy ny fanjarian-tsakafo, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny Gret, i Claire Kaboré, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fampahafantarana ireo fitaovana ireo.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.