Nivoaka amin’ny fanginany. Namaly ny fanambarana nataon’ny Sendikan’ny « insepecteur de travail » sy ny « controleur de travail » ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa, ny herinandro teo. « Tsy mitombina ny amin’ny fisian’ny fanodinkodinam-bola sy ny filazana fa nividianana fiara tsy mataho-dalana ny tambin-karaman’izy ireo », hoy ny eo anivon’ny minisitera, tamin’ny alalan’ny tale DAFGP, Ravelonarivo Benjamin. Nanteriny fa tsy mbola nivoaka tao anaty kitapombolam-panjakana io vola nolazaina fa voahodinkodina io. « Mbola azo hamarinina ao anatin’ny mangarahara izany. Sorabola no mbola mipetraka ao hatramin’izao. Tsy azo atao velively ny manova na manakalo ny vola fampihodinan-draharaha mankany amin’ny fampiasam-bola ao anatin’ny fitantanana ny volam-panjakana », hoy ihany izy. Notsindriny fa miezaka mikaroka vahaolana ny eo anivon’ny minisitera mpiahy manoloana ny olan’ireto mpijirika asa sy mpanara-maso asa ireto. « Efa maro ireo miverina manohy ny asany andavanandro », hoy ihany izy ireo.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.