Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Chan 2021»: voatazon’i Niger ady sahala i Lybia

Anisan’ny voka-dalao nanamarika ny andro faharoa, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina, “Chan 2021”, tanterahina any Kameronina, ny ady sahala teo amin’i Niger sy ry zareo Lybianina, ho an’ny sokajy B. Fihaonana notanterahina ny alahady lasa teo.

Raha ara-taratasy, ambony ny Lybianina, saingy naneho ny fahaiza-manaony ry zareo Nizerianina. Nifandanja ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, ary samy naneho ny fahaiza-manaony ny andaniny sy ny ankilany. Ankoatra izay, lavon’ny RD Kongo, tamin’ny isa 1 no ho 0, i Kongo.

Hitohy anio ny fifanintsanana ka ny vondrona D no hiditra an-tsehatra. I Zambia hihaona amin’i Tanzania ary i Ginea hifampitana amin’i Namibia.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.