Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra any Irlande: nifindra ao amin’ny Bohemian FC i Hery Bastien

Vita, omaly alatsinainy, ny fifanarahana ary efa ofisialy fa hilalao ao amin’ny ekipan’ny Bohemian FC Dublin indray ilay mpilalao baolina kitra malagasy, i Hery Bastien, ho an’ny taom-pilalaovana 2021 -2022. Ekipa ao Irlande Atsimo izy ity ary mifaninana ao amin’ny “Irish Premier League D1”.

Miandry ny fahataperan’ny filalaovany ao amin’ny Linfield FC, any Irlande Avaratra, ny volana jolay ho avy izao, sisa i Hery dia hamonjy indray ity ekipa vaovao hisy azy ity. Nambaran’i Keith Long, mpanazatra ny Bohemian FC, fa tena faly ny tenany amin’izao fiavian’i Hery Bastien ao amin’ny ekipa tantaniny izao.“Mpilalao manana kalitao miavaka i Hery ary feno traikefa sy fahaiza-manao. Ekipa tanora ny Bohemian FC ka manantena aho fa anisan’ireo mpilalao hitondra aina vao ahafahanay mivoatra ny fisian’i Hery Bastien”, hoy izy.

Marihina fa tompondaka lefitra ao Dublin ny Bohemian FC.

Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao nikarama be indrindra tao Linfield FC i Hery Bastien, izay efa nandrombaka ny tompondakan’i Irlande Avaratra ihany koa.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.