Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jean Nirina R.: « Tsy mitady mihitsy seza izahay… »

Nitondra ny fijeriny manokana manoloana ny raharaham-pirenena ny filohan’ny Hafari Malagasy sady filohan’ny tetikasa fifindra-monina miala ny tanàn-dehibe, Rafanomezantsoa Jean Nirina, omaly nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety. Tamin’izany no nilazany fa iaraha-mahita ny zava-misy eto amin’ny firenena, eo ny fisian’ny valanaretina Covid-19 sy ny fahantrana efa tena lalim-paka mianjady amin’ny vahoaka malagasy. Manoloana izany rehetra izany anefa, lany andro mifanenjika ny mpanao politika satria raha ny hita, tsy misy manana tanjona hanarina sy hanampy ny mpiara-belona ny mpanao politika sasany fa ny hanapotika ny firenena hatrany ny tanjon’izy ireo, araka ny nambarany. “Tsy manana tanjona hitady seza izahay ary manohitra tanteraka ny fanonganam-panjakana ho an’ireo mikasa hanao izany. Izahay koa, mba manana vahoaka miaraka aminay. Ny hanasoavana ny firenena sy hialana amin’izao fahantrana sy fahoriana mianjady amin’ny firenena izao no tena mahamaika”, hoy izy. Nohamafisiny fa aleo mba fifandimbiasam-pahefana ny hisarihana vahoaka. Jereo ny olan’ny tsy fahampian-drano, ny lafiny toekarena sy ity sosialim-bahoaka efa miantraika any anaty vilany ity fa tsy hifampiandry kendry tohina eto foana, araka ny filazany. “Tokony hiaraha-mijery ny momba fikojakojana ny tontolo iainana izay antony iray mahatonga izao tsy fisian’ny orana izao fa lany andro anatina adilahy politika hatrany”, hoy izy namarana ny fanazavany.

Jean Claude

 

 

Les commentaires sont fermées.