Mila mametraka politika mazava tsara, fihariana kendrena, ary manana rafitra ho an’ireo ny eto Madagasikara, raha tanjona tokoa ny fampandrosoana. Politika naroso amin’ny fisarihana fampiasam-bola, EPI (1) izany, teo anivon’ny Cnuced (2). Betsaka ny fahafahana ahazoan’i Madagasikara miantso ireo vahiny mpandraharaha. Mialoha izany anefa, ilaina ny fananana fotodrafitrasa matanjaka. Mitarika ny fampiasam-bola mivantana ataon’ireo mpandraharaha IDE (3) ny EPI. Vetivety dia hita mivaingana amin’ny mponina ny vokatr’izany, manome asa sy manatsara ny fari-piainany.
Koa anjaran’ny fanjakana ny mametraka fotodrafitrasa, ahatongavan’ireo mpandraharaha, hisian’ny fampiasam-bola ataon’izy ireo. Mora ny fanatanterahana ny fampiasam-bola eto Madagasikara, araka ny fanamarihan’ny Cnuced. Manamarina izany ny fisian’ny harena voajanahary maro, ny tanora betsaka afaka miasa, sy ny faritra midadasika ahafahana mamokatra.
Araka izany, mitaky mazava tsara amin’ny fanjakana ireo mpandraharaha, momba ny lafiny lalàna miaro ny fampiasam-bola. Manamafy izay lafiny lalàna izay ny ao amin’ny EDBM (4),
ampifandrindrana ny politika fampiasam-bola sy ny sehatry ny mpandraharaha. Tokony hazava tsara amin’izany, ohatra, ny lalàna momba ny fananan-tany, ny hetra, ny fifidianana orinasa anaty faritra afakaba. Tany amin’ny taona 2015, efa niadian-kevitra teo anivon’ny Cnuced ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Hatramin’izao anefa, tsy hita fitomboana izany, tsy nampitombo ny fidiram-bolan’ny fanjakana sy nampihena ny fahantrana.
R.Mathieu
EPI (1) : Examen de la politique d’investissement – EPI
Cnuced (2) : Conférence des Nations unies sur le commerce et le développement
IDE (3) : Investissements directs étrangers
EDBM (4): Economic Development Board of Madagascar
Les commentaires sont fermées.