Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CUA: nandray ireo mpinatra mendrika ny ben’ny Tanàna

CUA: nandray ireo mpinatra mendrika ny ben’ny Tanàna

Noraisin’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, tao amin’ny birao fiasany ny asabotsy treo ireo mpianatra mendrika tamin’ny fanadinam-panjakana farany teo, CEPE, BEPC ary bakalorea.

Nanao ny fitsidihana ny lapan’ny Tanàna izy ireo tamin’izany ary nampahafantarina ny fomba fiasa ao amin’izany lapa izany. Teo koa ny fampahafantarana ireo ben’ny Tanàna nifandimby nitantana tao.

Nankahery azy ireo ny ben’ny Tanàna hahaleo hahalasana amin’ny fianarana mbola miandry azy ireo. Havitrika sy tsy hitsahatra amin’ny fanatrarana hatrany ny tsara kokoa. Toraka izany ny fampaherezana ireo mpampianatra mendrika.

Namarana ny fitsidihana nataon’ireto mpianatra sy mpampianatra ireto ny tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna ary efa nitodi-doha any amin’ny faritra nisy azy avy izy ireo taorian’izany.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.