Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety-N1A 2020: noravaravain’ny SBBC ny ekipan’ny CRJS

Basikety-N1A 2020: noravaravain’ny SBBC ny ekipan’ny CRJS

Niditra tamin’ny andro fahatelo ny fifaninanana, omaly, ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara N1A lahy sy vavy 2020. Teo amin’ny sokajy vehivavy, nandravarava ny ekipan’ny SBBC Boeny nanoloana ny CRJS Atsinanana. Isa mavesatra 134 no ho 36 ny nandavoan’ny ekipan-dry Maevah ireo mpilalao avy any Toamasina. Hita taratra hatramin’ny faran’ny herinandro teo ny fahombiazana ho an’ity ekipa tompondaka 2019 ity satria nahazo hatrany fandresena hatrany izy ireo, tamin’ny lalao roa efa vita. Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, misongadina hatrany ny ekipan’ny GNBC, na somary nivoaka sempotra ihany ary izy ireo nanoloana Sebam, nandritra ny fihaonana ny alahady teo. Isa iray monja mantsy ny nanasaraka ny ekipa roa ronta. Ho an’ny omaly, samy nahazo fandresena nanoloana ny mpifanandrina taminy avy ireto ekipa sangany, sokajy lehilahy, ireto. Ny GNBC, nandavo ny Cosmos Diana, tamin’ny isa 95 no ho 58, raha toa ka isa 91 no ho 54 kosa ny nanilihan’ny Sebam ny ekipan’ny 2BC Analanjorofo. Azo antoka, araka izany, fa efa any amin’ny dingana famaranana ny tongotr’ireto ekipa roa ireto. Toy izao ny voka-dalao hafa: ASA Analamanga vs Serasera Vakinankaratra (48 – 68)/JEA Vakinankaratra vs CosPN 2 Atsinanana (45 – 50)/BCEst Atsimo Andrefana vs MB2All Analamanga (24 – 79)/CosPN Analamanga vs USF Matsiatra Ambony (104 – 63).

 

Mi.Raz

 

 

 

Les commentaires sont fermées.