Nampahafantatra ny vaomiera itambarana misahana ny fikarakarana ny karatra maha matihanina ny mpanao gazety « commission paritaire chargée de la délivrance de la carte d’identité professionnelle des journalistes » fa misokatra anio 19 janoary ary hifarana ny 12 febroary amin’ny 5 ora hariva ny fametrahana ny taratasy fangatahana ny karatra maha matihanina mpanao gazety. Anisan’ny hametrahana izany koa ny eny anivon’ny vaomieram-paritra na « commission paritaire régionale ».
Anisan’ny mason-tsivana ahazoana ny karatra maha matihanina ny mpanao gazety ny fananana mari-pahaizana avy amina toeram-panofanana momba ny asa amin’ny asa fanaovan-gazety eken’ny minisitera miadidy ny Fampianarana ambony na ny minisitera misahana ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana asa.
Famenoana ny antontan-taratasy
Na koa afaka manamarina fa nanao tsy tapaka ny asa fanaovan-gazety nandritra ny telo taona. Ary mbola miasa amina orinasa fanaovan-gazety ara-dalàna sy nanaovana fanambarana eny amin’ny tompon’andraiki-panjakana mahefa araka ny angatahin’ny lalana, na miasa amin’ny maha mpanao gazety tsy miankina, na « journaliste independant/freelance » ho an’ny orinasa fanaovan-gazety iraisam-pirenena iray na maromaro.
Afaka mandefa mailaka amin’ny cpc.cip.ojm@gmail.com raha mila fanazavana fanampiny.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.