Maro ny faritra na ny kaominina mamokatra hitan’ny teknisianina nefa tsy ampy fikojakojana. Azo ambara ho faritra filamatra nefa tsy mitaky fandaniam-bolabe ny fanajariana tokony hatao aminy. Hita amin’izany, ohatra, ireo velaran-tany mora voatondraka sy volena, miantoka ny fahavitantena sakafo sy mampidi-bola. Olana anefa izao ny tsy fahampian-drano noho ny fiovan’ny toetr’andro. Maina ny tany, maro ny velarana tanimbary tototry ny fasika, simba ireo fotodrafitrasa nisy tany aloha.
Mila mitohy ny fikojakojana ireo tany volena sy ny fanajariana izany amin’ny lafiny teknika. Hita izany any Andapa, faritra Sava; any Soanierana Ivongo, faritra Analanjirofo; any Bealanana, faritra Sofia; any Marovoay, faritra Boeny. Samy mamokatra betsaka ireo distrika ireo, raha ny vary fotsiny. Ankoatra izay, raha amin’ny ilany atsinanana, mbola misy ny lavanila sy ny jirofo, izay samy vokatra fanondrana.
Nisy ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, 65 tapitrisa euros; avy amin’ny AFD (1), 25 tapitrisa euros, efa azo avokoa ny momba ny tetikasa PADP (2) ho an’ireo distrika voalaza ireo. Nanampy izany ny avy amin’ny FEM (4), 13,7 tapitrisa dolara. Olana anefa, toa tsy misy ny fitohizan-draharaham-panjakana raha ny vokatra hita any amin’ireo toerana ireo amin’izao fotoana.
R.Mathieu
AFD (1) : Agence française de développement
PADP (2) : Projet d’agriculture durable par une approche paysage
FEM (3) : Fonds pour l’environnement mondial
Les commentaires sont fermées.