Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tombola Shoprite: azon’i Lovatiana R. ny fiara Great M4

Tombola Shoprite: azon’i Lovatiana R. ny fiara Great M4

Rakotoasimbola Lovatiana ny nahazo ny fiara Great M4 avy amin’ny fisarihana tombola nokarakarain’ny magazay Shoprite, nanomboka ny 16 novambra 2020 ka hatramin’ny 3 janoary 2021 lasa teo. Ho an’ny olona mividy entana manana sanda 35 000 Ar no ho mihoatra no afaka nandray anjara amin’ny toeram-pivarotana Shoprite rehetra misy 10 manerana ny Nosy, araka ny fanazavana. Efa tontosa ny 3 janoary lasa teo ny fisarihana izay tsara vintana fa natolotra ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny Shoprite La City ilay fiara. « Efa mpandray anjara mavitrika amin’ny tombola tahaka izao hatrany izy fa sambany nahazo. Nividy entana mitentina 133 000 Ar teny amin’ny Shoprite eny Ampefiloha izy ny 25 desambra lasa teo ka voasarika nibata ny loka lehibe fiara ny tapakilany. « Tena faly aho fa fanomezana ho an’ny fetin’ny Noely ho ahy ity fiara ity », hoy izy.

Les commentaires sont fermées.