Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

No Doze: nitondra ny hiran’ny taona 80-90 ry Tony Ratefy

No Doze: nitondra ny hiran’ny taona 80-90 ry Tony Ratefy

Maro ny hira tsy tontan’ny ela, noho ny fiangaliana ny tonony sy ny feony… ary mbola velomin’ny mpanakanto ankehitriny izany.

Nafana faran’ny herinandro… Nitondra mozika mahafinaritra, amin’ireo hiran’ny taona 80 sy 90 ry Tony Ratefy Quartet, ahitana an-dry Ricky Ratianarivo, i Ts’ou Rakoto, i Julie Ratefy, ary i Tony, ny zoma 15 janoary 2021 lasa teo nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, etsy amin’ny No Doze by Trano Bongo Tanjombato. Novelomina tao ireo vazo tamberina nanamarika ny taona 80 sy 90 (disco, funk, nostalgique…) miaraka amin’ny fihiran’izy ireo azy tamin’ny fomba miavaka. Manome sehatra ny mpanakanto rahateo ny etsy amin’ny No Doze by Trano Bongo Tanjombato, indrindra amin’ny fanehoana ny talenta miavaka ananan’ny tsirairay. Isan-kerinandro, ezahin-dry zareo hatrany ny hisian’ny mpanakanto hafa, miaraka amin’ny talenta mahafinaritra, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra. Ao anatin’izany rehetra izany ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana samihafa mba tsy hiparitahan’ny valanaretina Coronavirus indray eto Madagasikara ka hiverenana amin’ny fihibohana.

Narilala

Les commentaires sont fermées.