Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Muay Thai: maro ny fifaninanana miandry

Betsaka ireo fandaharam-potoana efa voarindra, saingy noho ny tsy mbola filaminana amin’ity tsimokaretina Covid-19 ity, voatery miandry avokoa izany. Io ny nambaran’ny tale teknika eo anivon’ny federasiona malagasy ny muay-thai, Rabenaivo Mamy. “Tafiditra anatin’izany ireo fihaonana iraisam-pirenena tokony hifanandrinantsika amin-dry zareo Frantsay”, hoy izy. « Ireto farany izay efa nampanantena ny hanatanteraka izany, nandritra ny fivahiniako tany Frantsa”, hoy hatrany ingahy DTN. Nohamafisiny fa “maniry ary efa nikasa hiatrika ady amintsika ihany koa ry zareo Thailandais, saingy miandry avokoa ny fisokafan’ny sisin-tany izany”, hoy izy. “Tena nanimba zavatra betsaka mihitsy ity tsimokaretina Covid-19 ity”, hoy ingahy Rabenaivo Mamy, “satria tsy afaka nivezivezy ny tenako kanefa betsaka ireo faritra sy ligy maniry hidinana any amin’izy ireo”. “Ankoatra ny fizarana traikefa, mikasa hanangana ara-dalaàna ligy izy ireny”, hoy hatrany ity tale teknika ity. Noho ny antony asa, mila ravinahitra any amin’ny faritra Atsinanana ity DTN ity. Ho fanapariahana ity taranja ity, mizara traikefa amin’ny klioba Muay Thai Institute Tamatave iray any an-toerana ny tenany ka izy mihitsy no « instructeur » ao. Efa tamin’ny 2009 no nitsangana izany, saingy somary nangingina tao ho ao nefa mifoha tanteraka indray amin’izao fotoana izao. Efa manodidina ny 150 ny isan’ireo mpikatroka ao, manomboka amin’ny sokajin-danja 27 kilao hatramin’ny 80 kilao. Ahitana ireo sokajin’olona maro isan-karazany ao anatiny, toy ny mpianatra,ny  mpiasa, ny tale amin’ny orinasa, ny miaramila, ny zandary. Tazana ao anatiny ireo mpikatroka sangany enina mirahalahy, efa nandrombaka ny anaram-boninahitra ho tompondakan’i Madagasikara, ahitana an’i Mario (53 kg), i Gaelle (48 kg), i Perzio (60 kg), i Armelle (51 kg), i Bardy (48 kg).

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.